Andro ratsy : Tombanana hiditra an-tanety anio maraina

“Omaly tolakandro, tany amin’ny 495 km andrefan’ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Dépression tropicale hatrany ny sokajy misy azy. 55 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 75 km isan’ora. Mikisaka miatsinanana izy ka nahafaka 25 km isan’ora.
Tombanana hitombo hery ity andro ratsy ity ka ho lasa rivodoza, halina. Hanohy ny diany haingana hiatsinanana izy ato anatin’ny 30 ora manaraka ka hipaka amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, eo anelanelan’i Anakao sy Androka-Ampanihy, anio maraina, eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora maraina sy amin’ny 12 ora atoandro. Noho izany, entanina ny mponina amin’ny distrika manaraka ireto hampihatra avy hatrany ny fepetra mahakasika ny filazana loza manambana miloko mavo: Toliara I-II, Betioky Atsimo, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe. Entanina koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro tsy hiandriaka intsony.

Vonjy

Partager sur: