Filaharan’ny Fifa : Tafakatra laharana faha-104 i Madagasikara

Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra, ny filaharana vaovaon’ireo firenena mifanintsana amin’ity taranja ity maneran-tany. Nisondrotra eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara na dia tsy nandray anjara tamin’ny Can farany teo aza.

Niakatra laharana iray indray. Na dia tsy niatrika ny fiadiana ny am­boaran’i Afrika farany teo aza ny Barea, nahazo toerana iray teo amin’ny filaharan’ny Fifa. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara, ankehitriny, araka ny vaovao navoakan’ity tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra ity, afakomaly alina. Tsiahivina fa teo amin’ny faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha. Mipe­traka ao amin’ny satroka faharoa amin’ny antsapaka izay hahafantarana an’ireo mpiray vondrona amin’ny fifanin­tsanana Can 2027, izany i Madagasikara. Mbola aorian’ny Barea kosa, ny nosy rahavavy Comores, izay nisondrotra ho faha-106, taorian’ireny vokatra azony nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika farany teo ireny. Tsara ny mampahatsiahy fa teo amin’ny faha-109 izy ireo teo aloha teo.
Ankoatra izay, tafiditra anatin’ireo folo voalohany maneran-tany i Maroc, tompondaka lefitry ny Can farany teo. Lasa laharana fahavalo ao amin’ny Fifa ny Lion de l’Atlas, raha faha-11 ry zareo ny volana desambra farany teo. Miakatra eo amin’ny faha-12 maneran-tany kosa i Sénégal, Tompondaka ny Can 2025.

Mbola baraingo ny momba an’i Corentin Martins
Hatramin’ny nanoratanay, omaly, mbola tsy misy ny fanambarana ofisialy mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’ny mpanazatran’ny Ba­rean’i Madagasikara, i Coren­tin Martins. Afaka 11 andro eo sisa mantsy dia hifarana ny fifanarahana amin’ity frantsay teknisianina ity. Taorian’ny nanafoanana ny Chan man­tsy, hifantoka tanteraka amin’ny Barea A, ny sain’ny Malagasy mpankafy baoliana kitra, ka andrasana izay mety ho fitohizany izany. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, vonona ny hanohy ny fifanarahana ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, saingy mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Marihina fa iarahan’ny roa tonta misalahy ny fandoavana ny karaman’ity mpanazatra ity.

Fitia Randria

Partager sur: