Taranja tolona : Mikasa ny handray fifani­nanana iraisam-pirenena

Mikasa ny handray anjara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasionina malagasin’ny taranja tolona, (FML), amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, izay hatao ny volana aogositra ho avy izao. Eo ihany koa ny lalao Olaimpika ho an’ny tanora, U17, izay hotonto­saina any Sénégal, ny volana novambra ho avy io. Ho fiatrehana izany, misy ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy seniors sy junior, izay hotontosaina ny 14 sy ny 15 febroary ho avy io. Ireo izay mendrika amin’izany no hiatrika fampivon­dronana, ary hifantenan’ireo teknisianina izay hita fa misongadina, hiaro ny voninahi-pirenena. Marihina fa ity fifanintsanana nasionaly ity dia tafiditra anatin’ny taom-pilalaovana teo aloha 2025. Noho ny zava-misy teto amin’ny firenena no nahatonga ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara nahemotra ho amin’ny volana febroary izao.

Fitia Randria

Partager sur: