INDRAY MIJERY

Ewetse no anaran’ilay rivodoza niditra ao Itam­polo, Ampanihy, omaly tolakandro. Nihena ny heriny ka vinavinaina ho levona an-tanety. Mitondra rotsakorana mitohy amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny rahona miaraka aminy. Iangaviana ny mponina voakasika mba ho mailo satria mety hiteraka ranotrambo sy/na fiaka­ran’ny renirano izany.
Ho fanamafisana ny ady amin’ny Mpox, nisy ny fivoriana fanentanana sy fampahafantarana niarahana tamin’ireo Holafitra, ny mpitsabo, ny farmasiana, ny mpampivelona ary ny veterinera. Tanjona ny hifampizarana traikefa sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’ ireo mpisehatra rehetra. Eo koa ny hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fisorohana sy fifehezana ny aretina.
Nanolotra fitaovam-pitsaboana ho an’ny CHU JRA ny Pavillon Ste Fleur amin’izao fanamarihana ny faha-50 taonan’ny hopitaly izao. Hanatevina ireo fitaovana efa misy sy hanatsarana ny sehatry ny fitsaboana izay imasoan’ny roa tonta no tanjona.

Partager sur: