Hazakazaka anaty natiora : Nampitomboina ny halaviran-dalana hifaninanana

Manatsara ny fifaninanana amin’ny hazakazaka anaty natiora hatrany ireo tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Ultra Trail des O’Plateau (Utop). Ho an’ity andiany faha-17 ity, nampitomboina ny halaviran-dalana amin’ireo sedra miisa 5. Ankoatra izay, handeha hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena izay mandresy na eo amin’ny lehilahy na ny vehivavy.

Hiavaka ny andiany faha-17 amin’ny hazakazaka anaty natiora karakarain’ny Ultra Trail des O’Plateau (Utop), amin’ity. Fihaonana hotanterahina ny 1 hatramin’ny 3 mey ho avy izao. Nam­baran’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambodivona, omaly, fa nampitomboina avokoa ny halaviran-dalana hifaninanana. Ani­san’izany ny Eau Vive Ultra Trail, izay lasa 145 km raha toa ka 125 km teo aloha. Hiainga eo Marozevo, mifarana eny Ambatobe. Handray anjara amin’ny UT4M any Grenoble ny voalohany, lahy sy vavy, raha hiatrika ny Trail de Bourbon ny faharoa.
Eo koa ny Corsair X-Trem, nitombo ho 105 km raha toa ka 60 km tamin’ny andiany hafa. Hiainga eny Ampasim­potsy ary mifarana eny Am­batobe. Hifaninana amin’ny Trail des Mascareignes ny ho tompondaka, lahy sy vavy, amin’izany. Misy koa ny hazakazaka am-bisikileta (T-bike) mihodinkodina eo Ambatobe. Eo koa ny Orange T-Rail, mirefy 39 km. Handray anjara amin’ny Dodo Trail atsy Maurice, ny voalohany amin’ny MCB semi-Trail misy halavirana 70 km, izay nasiana lalana fanampiny eo anela­nelan’Angavokely sy Ambato­lampikely. Samy hiainga eo Ambohimiadana avokoa izany ary hifarana eny Ambatobe. Ny farany dia ny hazakazaka ho an’ireo manana fahasembanana ara-batana na ny Galana Kids Para-Trail, miaraka amin’ny Joellette (fitaovana entin’ireo mpihazakazaka mitondra ny atleta manana fahasembanana). Ankoatra izay, mbola eo avokoa ireo sedra efa nahalalana ny UTOP hatramin’izay, ny Colas TDL Mantasoa sy ny Ra­disson Blu 6 Trail, ny ArBiochem Group Fun-Run sy ny LFT Zaza Trail. Hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana. Mpifaninana hatrany amin’ny 3 000 no andrasan’ny mpikarakara amin’ity.

Tompondaka

Partager sur: