Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina manomboka ny alahady voalohan’ny volana febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena «XXL Top 12», amin’ny taranja baolina lavalava. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasionina, hanokatra ny fihaonana amin’ity taona vaovao ity ny fifanandrinan’ny Mang’Art Manjakaray sy ny USA Ankadifotsy. Ho toy ny famaranana kely ity fifanandrinan’ny ekipan’i Manjakaray sy Ankadifotsy ity. Taorian’ny andro fahefatra, ny klioban’ny Mang’Art no eo amin’ ny laharana fahavalo, raha toa ka fahafito eo alohan’izy ireo ny USA Ankadifotsy.
Ankoatra io lalao io, hifandona amin’ny Uscar, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Tam Anosibe. Hifampitana amin’ny TFMA Ankasina, na ny boay kely manohitra, ny TFA Anatihazo fantatry ny maro amin’ny anarana hoe pilokely. Hatreto aloha, mbola mitana ny lohany amin’ity fifanintsanana “XXL Top 12” ity ny CEA Andranomanalina. Tanjon’izy ireo amin’ity taom-pilalaovana ity ny haka ny Tompondakan’i Madagasikara sy handrombaka ny amboaran’i Madagasikara. Raha ny filazan’ity mpampita vaovao ity ihany, any amin’ny volana marsa any no hifandona ny CEA sy ny FTM Manjakaray, Tompondakan’i Madagasikara farany.
F.R




