Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Mahamasina, fa diso avokoa ny vaovao miely milaza fa tsy nanaiky ny hanavao ny fifanarahana i Corentin Martins satria nahena ny karamany. Nambarany tamin’ny mpanao gazety, teny an-toerana, fa ny hanavao izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny Federasionina sy ny MJS.
Mitohy ny baolina…! Nilaza tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, omaly, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, fa nanapa-kevitra ny hanavao indray ny fiaraha-miasa amin’ilay frantsay mpanazatra nitondra ny Barea A, i Corentin Martins, ny fanjakana sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Taorian’ny tombana ara-teknika natao, nandritra ny herinandro voalohan’ity volana janoary ity, samy nahatsapa ny rafitra roa tonta fa nahita vokatra tsara nandritra ny fitantanany ny ekipa nasionaly malagasy ary nihatsara hatrany ny kalitaon’ny fifantenana ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena, ka vonona ny hanohy ny fifanarahana amin’i Corentin Martins izy ireo.
Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny federasionina, efa vita omaly ny dinika sy ny pitsompitsony rehetra mahakasika ny taratasy fifanarahana aminy. Mbola mijanona ho tsiambaratelo hatrany kosa ny resaka. Noho izany, diso ny vaovao miely anaty tambajotran-tserasera milaza fa tsy nanaiky ny hanavao i Corentin Martins fa nahena ny karamany. “Alefa any amin’i Corentin Martins rahampitso, io taratasy fifanarahana io ary ho fantatra amin’ny herinandro ny valiny izany. Tsipihiko mazava eto fa diso avokao ireny vaovao miparitaka momba ny nampidinana ny karamany ireny, tsy nanaiky ny hanavao izy noho io resaka io…”, hoy ny MJS.
Any amin’i Corentin Martins ny baolina
Miandry ny tohin’ity raharaha ity izany ny Malagasy mpankafy baolina kitra, mandritra ny herinandro ho avy io. Any amin’i Corentin Martins ny mason’ny mpanaraka ny kitra sy ny ekipa nasionaly Barea. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray, tanjona goavana hotratrarina ny hanaovan’ ny Barea Can amin’ny taona 2027.
Fitia Randria




