Madagascar Challenge Fund : Manome famatsiam-bola ny mpikaroka

Ny Deep, Arake ary ireo mpiara-miombon’antoka malagasy hafa nandray anjara tamin’ny famaritana ny taridalana sy ny tanjona ary ny sehatry ny Madagascar Challenge Fund.

Ekipa mpikaroka sivy eto Madagasikara no na­hazo famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa hamokatra fanadihadiana sy porofo ara-tsiantifika hanampy amin’ny ady amin’ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena. Ireo tetikasa ireo izay hanome vokatra ara-pikarohana mifanaraka amin’ny filana sy ny laha­ram-pahamehan’ny mpanapa-kevitra ho tombotsoan’ny daholobe, hanazava sy hanohanana ny politika, ny fan­daharanasa ary ny paikady nasionaly. Novolavolaina ta­min’ny fiaraha-miasa amin’ny ONG malagasy Arake ny Deep Ma­da­gascar Challenge Fund. Na­tom­boka ny volana mey 2025 ny antso ho fandraisana tetikasa ka 106 ny tolo-kevitra voaray. Ireo tetikasa voafan­tina izay mifantoka amin’ny olana lehibe mifandraika amin’ ny fahantrana sy ny fampihenana izany eto Madaga­sikara, toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fitrandrahana ha­rena an-kibon’ny tany, ny fahasala­man’ny tany, ny fanilikilihana ny vondrom-piarahamonina marefo ary ny fifindra-monina anatiny.
Ireo tetikasa nahazo fama­tsiam-bola: Laboratoire Mi­tsi­lo, Centre d’études et de re­cherche en économie de la santé (Ceres), Findrama Marc Elson Rasolofoniaina. Ny Centre Fafiala, Institut d’études politiques Madagascar (IEP), Mamy Rajaonarisoa sy Anja Radoharinirina mitarika, ny CR-AT2D, Aquaterre ary Junot Livah Randriamizana.

Vonjy

Partager sur: