Biometrika : Hanomboka ny 27 janoary ny fisoratana anarana

Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Coupole, ao amin’ ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny he­tsika fisoratana anarana biometrika sy ny rafitra hiantso­roka ny fanatanterahana izany manerana ny Nosy. “Na­tokana ho an’ny olom-pire­nena feno 18 taona no ho miakatra ny fisoratana anarana, tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny fiankohonana sy ny fahiziana ary natao ho fototry ny  fi­tantanan-draharaham-pan­jakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Ha­ni­tra Velonjara Tiaray. Aha­zoana laharana tokana fa­mantarana ho an’ny isam-batan’olona izany. Famaritana mazava ny maha izy ny tsi­rairay satria tokana tsy azo ovana, ilaina amin’ny fidirana amin’ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fandrai­sana anjara amin’ny raharaham-pirenena ny fisoratana anarana biometrika. Alaina sary ny atimaso, ny toetry ny endrika ary ny lavotondro handrafitra ny angon-drakitra.
1 729 ny ivontoerana fanoratana anarana eny amin’ny boriborintanim-panjakana ka olona 40 isan’andro no ken­drena ho vita. Hatramin’ny vo­lana avrily, olona 2 tapitrisa no tombanana hisoratra anarana biometrika. Hosantarina eny amin’ny distrikan’­Atsimon­­dra­no, ny 27 janoary ho avy izao, ny hetsika fanoratana anarana biometrika ka haharitra iray volana ny fanatanterahana azy ho an’ny mponina ao amin’ny distrika. Hanenika an’i Madagasikara kosa izany manomboka ny volana avrily.

Vonjy

Partager sur: