INDRAY MIJERY

Momba ny tatitra mahakasika ny valanaretina Mpox eto amintsika ho an’ny 23 janoary, misy tranga ahina vaovao 16 sy tranga voamarina 16 izay niseho tany Mahajanga avokoa ireo voamarina. Voalazan’ny profesora Mamy Randria fa mahatratra 449 ny tranga rehetra hatramin’ny 23 janoary. 289 no ahina raha 160 no voamarina. Ny fandraisana an-tanana dia mizotra tsara hatramin’izao ho an’ireo marary efa manaraka fitsaboana sy ireo ahiboka fa mety ahina. Mbola nanamafy izy fa tsy maharo ny fiparitahan’ny aretina ny fampiasana ny fimailo.
Mbola misy 1500 ny voan’ny habokana isan-taona eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nomarihina ny faran’ny herinandro teo ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina notsinontsinoavina ka nankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ireo mararin’ny habokana. Nanamafy ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny habokana fa aretina azo sitranina tsara ny habokana ary maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana izany. Ny fitiliana mialoha, ny fitsaboana ara-potoana, ary ny fanentanana ny vahoaka no fototry ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanilikilihina.
Notokanana tao Toamasina ny “Laboratoire ACSSQDA” vaovao, ny faran’ny herinandro teo. Vato fehizoron’ny rafitra ara-pahasalamana ny ivontoerana fitiliana ary manamafy ny fahaiza-manao nasionaly eo amin’ny fitsirihana ara-tsiantifika ireo singa rehetra ao amin’ny sakafo ary miantoka fanapahan-kevitra ara-pahasalamana haingana sy raitra. Amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa stratejika ity, hatsaraina ny fanaraha-maso akaiky ireo karazan-tsakafo vantany tafiditra eto amintsika. Hihena ny fahataran’ny valim-pitsirihana satria efa ao Toamasina no misy ny seranan-tsambo lehibe indrindra eto Madagasikara.

Partager sur: