Niverina an-tanindrazana, omaly, Razanajafy Florentine, filohan’ny fikambanana Tao rehefa avy nihanika ny tendrombohitra Kilimandjaro nandritra ny fito andro. Anisan’ny feo nentiny ny tokony hampiharana ny lalàna fanohanana amin’ny fomba rehetra ireo vehivavy niharan’ny herisetra sy ny famelana malalaka ny vehivavy hisafidy momba ny vatany.
Eny amin’ny akany no raisina an-tanana ireo zaza tsy misy mpiahy. 80 isan- taona ny ankizy raisina amin’
ny faritra efatra eto amintsika vokatry ny fanolanana nihatra tamin’ny reniny na ankizivavy niteraka nefa tsy manam-bady, na tovovavy niteraka kambana (ho an’i Mananjary manokana). Anisan’ny fikambanana misahana ny fandraisana ireo zaza ireo, ao Toamasina, ny Fleurs eveillées natsangan-dRahariniaina Viviane. Misy tovovavy na ankizivavy miteraka eny amin’ ny hopitaly na CSB dia mandositra avy eo ka ny fikambanana no antsoina, araka ny fanazavany. Eo koa ny tranga ankizivavy 11 taona miteraka dia ilaozan’ny fianakaviany ka sahirana. Seho hafa, aterin’ny reniny eny amin’ny birao fokontany ilay zaza vao teraka ka antsoin’ny tomponandraikitra ny fikambanana. Misy akany maromaro ao Toamasina fa ny Fleurs eveillées no manao accueil d’urgence ka mandray hatrany ireo zaza tonga satria olombelona ireo. “Tranga mila potsirina, miseho eny amin’ny fiarahamonina nefa tsy resahina, ireo ka izay no fototry ny ady iarahan’ny fikambanana efatra amin’ny hetsika iraisana tanterahiny. Hitondra feo tokana ho an’ny fanajana ny zon’ny vehivavy sy ny fampiharana ny lalàna hanampiana ireo olona niharan’ny herisetra eto amintsika no tanjona”, hoy hatrany izy.
Telo volana ny fetra fandraisana ireo zaza amin’ny ankapobeny satria aorian’izay mety efa afaka miatrika fiainana ilay reny na koa mitady vahaolana amin’ny toeram-pandraisana maharitra ny fikambanana. Indraindray, tavela fotoana maharitra ao amin’ny fikambanana ilay zaza. Amin’izao fotoana izao, ankizy vao teraka hatramin’ny 13 taona no raisina an-tanana ao.
Mahatsapa ny fikambanana fa ny famelana malalaka ny vehivavy handray fanapahan-kevitra amin’ny tenany no hampihena ny zaza ariana satria tsy niriana ka lasa vesatra ho an’ny fiarahamonina.
Vonjy




