Manao fanairana sy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mbola misy, isan-taona, ny olona mararin’ny bilarziozy sy ny kankan-tsinay eto Madagasikara, ka tsy tokony ho variana. Fadiana tanteraka ny milomano anaty rano miandrona itoeran’ny kankampisaka izay mahatonga ny bilarziozy. Tsy tokony hihinana sakafo maloto na misakafo amin’ny tanana tsy voasasa fa eny no mitoetra izy ireny. Miseho amin’ny alalan’ny faharerahana matetika ny aretina. Miha mahia, mibontsina ny kibo, mety hisy rà rehefa mamany.
Azo sorohina sy sitranina ny arertina bilarziozy sy ny kakan-tsinay, amin’ny alalan’ny fanafody famonoana ny kankana indray mandeha na indroa isan-taona. Ny fahadiovana, ny fampiasana rano madio, ny tsy famanizana an-kalamanjana, ny famoronana lakandrano, fiompiana biby mihinana ireo sifotra mitondra ny kankana ary ny fanatonana tobim-pahasalamana raha misy soritraretina no fisorohana tsara indrindra.
Mila arahi-maso, araka izany, ny ankizy milalao rano amin’ireny rano miandrona sy maloto ireny satria amin’ireny no hahazoana ny aretina bilarziozy.
Tatiana A




