Andiany faharoa ny hetsika fanofanana amin’ny fahasahiana mandray fitenenana imasom-bahoaka na ny « art oratoire » nataon’ny Fikambanan’ny vaiavy Mandritsara milaranivahitra eto Antananarivo. Nitombo ny mpandray anjara satria an-jatony ireo liana raha nanodidina ny 67 izany tamin’ny taon-dasa. Hahafahana misokatra amin’ny sehatra maro ny fahaiza-miteny imasom-bahoaka.
Tombony hoentina amin’ny fiainana, hananana fahatokisan-tena sy fahasahiana maneho hevitra amin’ny fomba tony kanefa mandresy lahatra izy ity. Na ny fijery na ny fijoro na ny fiakanjo, hatramin’ny fihetsika, dia nampianarina ireo vehivavy nanaraka izany avokoa mba tsy hatahotra na ho vahobahotra rehefa maneho hevitra.
«Maro ny vehivavy manan-kevitra tsara kanefa sakana ny henatra na tsy fahasahiana mijoro milaza izany. Lasa mikobona anaty fotsiny izy ireny», hoy ny filohan’ny fikambanana Fivama, Ramiandrisoa Joela. Izany no nahatonga ny filohan’ny fikambanana hanolotra fiofanana mba hanana fahasahiana hiantsehatra, ho sahy iteny ny vehivavy. Mbola misy ny toerana sasany eto amintsika tsy manome sehatra ny vehivavy hiteny noho ny fomba sy kolontsaina kanefa fotoana izao hijoroan’ny andriambavilanitra, manana ny maha izy azy. Niarahana tamin’i Idealy Ratsimisetra, avy amin’ny Extremlife, ny fiofanana.
Tatiana A




