Seha-pihariana miroborobo ny harena an-kibon’ny tany. Naverina ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka. Mbola mihantona kosa ny misehatra amin’ny volamena.
Namoaka ny tatitra ho an’ ny taom-piasana 2023 ny rafitra EITI Madagasikara, omaly, teny amin’ny MBC Ivato. Tatitra hisian’ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Voalaza ao ny hetra sy haba naloan’ny orinasa mpitrandraka. Miisa 12 izy ireo no nanao fanambarana, fa nisy 4 tsy nanao. Tanjona ny hisian’ny mangaraharaha, ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny fampiroboroboana ny fitantanana mandray andraikitra. Nanatrika ny fotoana ny avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena (OSC), sns.
Anisan’ny singa jeren’ny EITI Madagasikara ny mampitaha ny vola nambaran’ny orinasa fa narotsany miohatra amin’ny voarain’ny fanjakana. Mitotaly 444 miliara Ar ny hetra sy haba naloan’ny orinasa mpitrandraka. Tsy maintsy misy ny tsy fitoviana na ny elanelana, saingy milaza ny EITI fa marina ny 87% ny voalazan’ny roa tonta.
Nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, fa efa seha-pihariana fanoitran’ny fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Avy amin’ity sehatra ity ny 49% ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny taona 2025.
98 miliara Ar avy amin’Ambatovy
Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa haverina ny fanomezan-dalana. Misy karazany telo ny fitrandrahana: ho an’ny mpitrandraka madinika nametrahana faritra manokana, ny antso ho an’ny fifaninanana hitrandraka ary ho an’ireo efa nametraka fangatahana, nanomboka ny taona 2009. Nomarihin’ny minisitra koa fa nahatratra 98 miliara Ar ny vola naloan’ny orinasa Ambatovy, saingy tsy narotsaky ny Tahirimbolam-panjakana tany amin’ireo Vondrom- paritra itsinjaram-pahefana (CTD) izany, nanomboka ny taona 2020. Hoaloa any amin’izy ireo io vola io amin’ity taona ity.
Njaka Andriantefiarinesy




