Niova tampoka ny toe-draharaha. Nanapa-kevitra ny Antenimierandoholona amerikanina fa hitarina herintaona monja ny African Growth and Opportunity Act (Agoa), raha telo taona no nolanian’ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 janoary lasa teo. Noho izany, asa manodidina ny 7 000 no tandindonin-doza eto Madagasikara. Naneho ny ahiahiny manoloana ny zava-misy ny Vondron’ny orinasa afakaba sy ireo mpiara-miombon’antoka (GEFP). Nilaza izy ireo fa hitombo ny fahasahiranan’ny orinasa sy ny mpiasa, indrindra ny fiankinandoha amin’ny tsena amerikanina. Mavesatra ny fiantraikan’ny zava-misy
eo amin’ny toekarena sy ny sosialy. Nasongadiny tao anatin’izany fa ao anatin’ny krizy ny sehatry ny lamba, anisan’ ny andry iankinan’ny toekarena sy manome asa hatrany amin’ny 180 000 tamin’ny taon-dasa, noho ny fahataran’ ny fanavaozana ny Agoa. Nambaran’ny GEFP, nandritra ny valandresaka nataony, fa tsy azo ihodivirana ny fampitsaharana asa, hihena ny fanondranana ary hihena ny sandan’ny Ariary. Hitombo ao anatin’izao ny sehatry ny tsy ara-dalàna, ny tsy fandriampahalemana.
Fepetra
Manao antso avo hitondra vahaolana ny GEFP, toy ny famerenana haingana ny TVA, ny fanalefahana ny fepetra momba ny fampitsaharana ny asa. Takiny ihany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’i Etazonia. Ankoatra izay, mangataka fihaonana vonjimaika amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny GEFP, handinihina ny zava-misy.
Henintsoa




