Zo ara-pananahana : Ankilabao ireo manana fahasembanana

Mahatsiaro tena ho tsy misitraka feno ny zo ara-pananahana ireo vehivavy ma­nana fahasembanana, raha ny nambaran’ny solontenan’ izy ireo, Raharivelo Lala, ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara, Afham.
Tsy mbola tafita tsara ny hafatra ho amin’izany sy ny fi­terahana izay tokony hosi­trahin’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mbola tra­tran’ny fanavakavahana amin’ ny sehatry ny fahasalamana ary mahatsapa fa mbola alavitra ny fanatrarana ny zo ara-pananahana izy ireo.
Voalohany, ny tsy faha­fahana miditra any amin’ny toeram-pitsaboana noho ny fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’ny fahafahan’izy ireo mivezivezy, toy ny tohatra.
Maro ireo mbola mihevitra azy ireo fa tsy tokony hanana tokantrano na fahatsapana ara-pitiavana na filana fa mi­hevitra azy ireo ho olon-kafa sy vesatry ny fiarahamonina.
Raha ny zo ara-panana­hana, malalaka ny safidin’ny olona tsirairay ary tsy terena fa tokony hanana safidy amin’ ny hitondrany ny tenany sy ny filany. Ny fianakaviana nefa matetika no mibaiko sy man­didy ny safidin’izy ireo. Ny olona no manapaka fa tsy mety amin’ireo olona manana fahasembanana ny miteraka satria manampy ny vesatra izay heveriny ho efa misy.

Tatiana A

 

Partager sur: