Tsy ho lelon-jaza

 

Nivoaka tamin’ny fahanginany indray aloha ilay bokotra dimy, nesorina tamin’ny toerany iny. Nilaza fa efa tadiavina sy ho samborina izy, hono! Tsy hay intsony izy ity fa dia hilalao fangala-piery eto indray isika mianakavy. Hiverina amin’ny fiandohany ny tantara raha ny tian’ny sasany hatao sy haverina eto amin’ny tanàna. Enga anie ka tsy ho lelon-jaza, hivoaka-miditra izy ity. Tsy mendrika izany ilay firenena.
Manoloana izany, asa hanao akory ny hiafaran’iny lehilahy, manamboninahitra, iny? Izao aza efa nilaozan’ny namany sahady. Tsy naneno impiry akory ny akoho dia efa nivadihan’ny sasany fa tsy namany. Ilay tontolo misy ankehitriny koa baikoin’ny hodidina tsy haihay isan-karazany. Izaho aloha vao ny daholobe. Ny ankohonako aloha vao ny vahoaka. Toy izany hatrany ny fanaon’ny tany aloha rehetra tany.
Baraingo saro-baliana ny mahakasika an’ity raharaha ity, izay taratry ny fivoaran’ny toe-draharaha misy ankehitriny. Mitaky finiavana anaty fitiavana ilay izy hialana amin’ny kiefitrefitra. Raha mbola samy hitondra ny lohany eto isika mianakavy dia tsy mahagaga fa hihitsoka ny toe-draharaha. Mitaky firosoana, ahitam-bokany amin’ny fiainana andavanandron’ny sarababem-bahoaka nefa ny asa.
Amin’izao fotoana izao, ny hany azo ambara, samy mikirakira ny serasera indray ny hery velona sy ny ankolafin-kery isan-tsokajiny. Ao ny mandrehitra ny afom-panantenana ho an’ny mpanohana fitondrana taloha. Misy ny manaratsy ny nodimbiasana. Tsy vitsy ny mametraka faka ho an’ny mpitondra, ankehitriny. Maro ny mivoy ny firaisana sy fiaraha-mitantana ary ny fihavanana.
Milamina avokoa ny zava-drehetra raha hain’ny Malagasy ny mandamina ny fiainany anaty. I Madagasikara sy ny mponiny rahateo, tsy sarotra atao izany. Olon’ny fo!

r.r

Partager sur: