Minae sy ny Com’on Holding : Velarantany 150 000 ha vaovao hambolena vary an-tanety

Ho hampiharana eto Madagasikara ny fambolem-bary an-tanety hampiasana fitaovana vaventy. Faritra telo ny hanaovana ny tetikasa andrana, ary hitarina any an-kafa izany avy eo.

Vita sonia, ny sabotsy 14 febroary teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny orinasa Com’On Holding avy any Côte d’Ivoire. Tsotra ny nahatonga izao fiaraha-miasa izao. Nahavita fikarohana amin’ny fampiasana ny fitaovana mekanika amin’ny fambolem-bary an-tanety, efa 10 taona lasa, ny teknisiana malagasy, Rahari­naivo Gislain. Nentiny tany Côte d’Ivoire ny traikefany, niara-niasa tamin’ny orinasa Com’On Holding, ka nahomby ny tetikasa natao. Nahatratra 6t/ha ny voka-bary azo, raha manodidina ny 2t/ha ny sa­lam-bokatra any Côte d’Ivoire. Nambaran-dRaharinaivo Gis­lain fa tanjona ny hahazoana 10t/ha. Hoentiny sy ny orinasa Com’On Holding eto Mada­gasikara io traikefa io, hanitarana ny velarantany voajary sady hiarovana ny sahandriaka ihany koa.
Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana Jo­sé Nirina, fa mifanandrify tanteraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ity tetikasa ity. Endriky ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny tsy miankina na eto an-toerana na avy ny any ivelany. Ary indrindra, hitsinjovana ny tantsaha. Tanterahina any amin’ny faritra Alaotra Man­goro, Atsinanana ary Bongo­lava ny tetikasa andrana,
amin’ny velarantany 150 000 ha havadika ho tanimbary an-tanety vaovao. Ampiasaina ny fitaovana mekanika, manomboka any amin’ny fiasana ny tany, ny fanetsana, ny fihavana, hatrany amin’ny fijinjana. Nilaza Raharinaivo Gislain, fa hitombo 25% ny vokatra azo, satria mihena ny vary very.
Miara-miasa amin’ny teknisiana malagasy, avy ao amin’ny Fofifa, ampiasana ny masomboly nankatoavin’ny Africa Rice, sns.
Notsorin’ny filoha tale jeneraly (PDG) ny Com’On Holding, Eric Kouadio-Tiacoh, fa zava-dehibe ho azy ireo izao atao eto Madagasikara izao. Satria hitombo ny asa, hisitraka tombontsoa ny tantsaha malagasy mpamokatra, ary hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: