Nampahafantarina ny sabotsy teo, ny famantarana vaovao (logo) ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nambaran’ny talen’ny Kabinetra ny minisitera, Ramanantsoa Sata Mihary Tiana, fa noraisina ity fepetra ity satria tafiditra ao anatin’ny ainga vao ho an’ny fanavaozana ihany koa. Sarotra ny safidy, saingy tsy maintsy misy ny mahazo ny loka. Koa, voalohany tamin’ity fifaninanana ity Razafiaribelina Vao Berthine. Navoitrany anatin’ny sary ao anatin’ilay famantarana ireo singa mameno ny sehatry ny fambolena, ny velarantany ambolena, ny fitaovam-pambolena mekanika sy maoderina, ny omby mampiavaka an’i Madagasikara, ny ondry sy ny osy,… «Ary tena nasongadiko manokana eo afovoany, ny tantsaha mitana angady», hoy ihany izy. Nankasitrahany ny minisitera Minae, manome lanja ny tanora sy ny Malagasy manan-talenta.
Notolorana vola 500 000 Ar Ramatoa Razafiaribelina Vao Berthine, ho fankasitrahana azy, ary 100 000 Ar tsirairay ireo hafa tao anatin’ny dingana famaranana.
Njaka A.




