Vondrona Filatex : Fanampiana ho an’ny traboina any Toamasina

Tsy niandry ela, nitondra fanampiana ho an’ireo mponina traboina vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, any Toamasina, ny vondrona orinasa Filatex. Tena nifantohana ny fanarenana ireo trano sekoly sy tobim-pahasalamana, ny famatsiana herinaratra mba hiverenan’ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina amin’ny laoniny. Nova­tsiana fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana ny hopitaly Be sy ny hopitaly Morafeno. Nahitana koveta, kojakoja fiarovana ara-pahasalamana, ahafahana manatanteraka ny fitsaboana araka ny tokony ho izy, izany. Nomena kojakoja sy fitaovana amin’ny fanorenan-trano koa ny CEG Tsa­rakofafa sy ny EPP Anjoma, anisan’ny tena potika. Vara­varam-by na rakotra varavarankely, sy ny hafa, ahafahana mamerina haingana amin’ny laoniny ny fanabeazana sy ny fianaran’ny mpianatra.
Manampy ireo ny fanampiana ara-tsakafo aman-taonina maro nozaraina tamin’ireo fianakaviana traboina sy ny lafiny fahadiovana sy fidiovana. Atao anio, 17 febroary, ny hetsika manokana, hanampiana ireo mpianatry ny Oniver­site Barikadimy. Nilaza Rako­toarisoa Tanteraka, talen’ny sosialy RSE ao amin’ny Fila-tex, fa « laharam-pahamehana ho anay ny asa vonjy taitra haingana, efa am-polo taona izao. Miasa mirindra sy miray hina, mitsinjo mandrakariva ny vahoaka sy ny mpiara-miasa tsy ankanavaka ».

Njaka A.

Partager sur: