Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny fiteny Anglisy maneran-tany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’ antananarivo ny ivontoerana American Center, omaly. “Misokatra ho an’ny olon-drehetra tia sy mankafia teny Anglisy izany”, hoy ny talen’ny fampianarana teny Anglisy eny anivon’ny anjerimanontolo, Andrianarivelo Harilala. Tanjona ny hampiroboroboana ny teny anglisy sy hampahafantarana ny kolontsaina amerikanina eto Madagasikara.
Mampiavaka ny ivontoerana ny fisian’ny fitaovana maro samihafa sy boky ary fandaharan’asa natolotry ny Ambasady Amerikanina eny an-toerana. Toy ny “studio” hanaovana horonantsary, ny solosaina hanaovana fikarohana ary ny“zoom boof” izay toerana hanaovana fandaharana. Eo koa ny “e-library USA” izay hahafahan’ny olon-drehetra mamaky boky sy gazety. Ahitana ny “English langage” izay manampy ny olona hahay hiteny anglisy. “Manana sakana sy sahirana amin’ny fitenena teny anglisy ny ankamaroan’ny olona ka manampy azy ireny ny ivon-toerana”, hoy ny talen’ny ivontoerana American Corner eto Madagasikara, Andriantsoa John. “Antenaina ny fitomboan’ny olona hitia sy hitodika amin’ ny teny anglisy noho ny fisian’ ity ny tetikasa ity” hoy hatrany izy.
Notohanana sy novatsian’ ny ambasady Amerikanina vola io tetikasa io. Nahatratra 50.000 dolara izany. Ny orinasa Axian kosa no niantoka ny “internet” haingam-pandeha ampiasaina ao anatiny. Mbola hitohy sy manamafy ny fifandraisan’ny firenena Malagasy sy ny Amerikanina ny fiaraha-miasa toy izao, hoy ny Ambasady Amerikanina, Pierangelo Claire.
Mino (mpianatra asa)