Notokanana ny fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny EPP Alasora, afak’omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « sekoly telma » izany. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 164 eo anivon’ny sekoly. Niaina ny haratsian’ ny toeram-pampianarana ny mpianatra sy ny mpampianatra teo aloha, hoy ny talen-tsekoly, Nivoharisoa Marie Larissa. Anisan’izany ny tafo mitete, ny seza sy ny latabatra tsy ampy ho an’ny mpianatra ary ny faharatsian’ny dalazy. “Miteraka olana sy voka-dratsy eo amin’izy ireo izany” hoy hatrany izy. « Maro ireo mpianatra mifindra fianarana vokatry ny haratsian’ ny sekoly, tsy mifantoka amin’ ny fianarana ihany koa ireo ankizy » raha ny fanazavana hatrany. « Maro ihany koa ireo mpampianatra tsy ma-zoto amin’ny fampianarana » hoy izy nanamafy.
Hihatsara ny vokam-panadinana
« Tanjona ny mba hihatsaran’ny voka-panadinana satria mendrika ny toeram-pianarana ianaran’ny ankizy », hoy ny ben’ny Tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. Mba hiroborobo ny fanabeazana eny an-toerana. « Antenaina ny fahazotoan’ ny ankizy hianatra, iriana ny hitomboan’ny ankizy hianatra eo an-toerana” hoy hatrany izy. Nilaza ny ben’ny Tanàna fa tsy hijanona amin’ ny fanavaozana ny sekoly ny tetikasa fa tsy maintsy hisy ny paikady hampandrosoana ny lentan’ny mpianatra. Toy ny fanaovana “cours” maimaimpoana ho azy ireo. Fanampiana ireo Ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny zanany hianatra.
Tafiditra anatin’ny tetikasan’ny telma ny fanamboarana sy fanavaozana fotodrafitrasa ho an’ireo sekolim-panjakana. Toy ny EPP, Préscolaire ary CEG. “Mahatratra 100 ireo sekoly telma natsangana teto amin’ny Nosy”, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny groupe Axian, Ravelojaona Kanto. Tanjona ny fahatsaranan’ny fanabeazana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanomezana sekoly manara-penitra.
Tonga nanatrika ny lanonana ireo tomponandraikim-panjakana maro samihafa. Toy ny solon-tenan’ny ministera sy ny fitondram-panjakana, ny Cisco, ny ben’ny Tanàna, ny orinasa Axian sy ny telma ary ireo mpitandro ny filaminana. Marihina fa mbola misy ny EPP ravan’ ny rivo-doza ao an-toerana ka hitadiavana mpiara-miombon’antoka.
Mino (mpianatra asa)