Nanolotra fitaovam-panazavana mandeha amin’ny herin’ny masoandro 500 isa ho an’ireo tokantrano marefo ao amin’ny tanànan’Ampasimbe sy Ranomafana Atsinanana ny orinasa Ambatovy, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny tanànan’i Tanambao no notontosaina ny fanolorana ireto fanomezana ireto ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy.
Tafiditra amin’ny fandaharanasan’Ambatovy ho fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina ny hetsika ary mifanjohy amin’ny laharampahamehan’ny governemanta malagasy hampidirana jiro amin’ireo tanàna ambanivohitra eto Madagasikara.
Ahitana takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro 20W 16V, boatikely mampandeha azy sy vatoaratra, jirom-balindrihana efatra, ary jiro mirehitra ho azy rehefa lalovana ny fitaovana tsirairay. Misy radio ihany koa nampiarahan’ny mpamatsy amin’ny « kit » tsirairay. Hahazo fiofanana ny ankohonana tsirairay misitraka ireto fanomezana ireto hahafantarany ny fomba fametahana sy fikojakojana araka ny tokony ho izy ny fitaovana.
Vonjy