Toamasina : Lany ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka hampiditra bus

Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe.

Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fia­didian’ny kaominina. Lany, tamin’ izany, ny hampidirana bus fitaterana sahala amin’ny ny hita an-tanàn-dehibe hafa rehetra.
Hanampy amin’ny fitateran’olona ao Toamasina ny bus. Sady mora ny saran-dalana no haingana raha oharina amin’ny bajaj sy ny posy. Ireo mpianatra sy mpiasa mivezivezy andavanandro no tena hahazo tombony amin’izany.
Mampitaraina ny mponina ny fanararaotana mihoapampana ataon’ireo mpitari-posy sy mpitondra bajaj amin’ny fampiakarana saran-dalana tsy an-kiera kanefa tena mbola sady anatin’ny fanarenana daholo ny mponina taorian’ireny fahavoazana ireny.
Tsy tokony hampiondrika sy hahakivy ny mpitondra va­hoaka ny vesatra napetraky ny rivodoza Gezani izay nampitondra faisana sy fahasimban-javatra maro iankinan’ny fiainan’ny vahoaka ao Toamasina.
Very sy simba fananana 95% ny mponin’i Toamasina, tafiditra ao koa ny fotodrafitrasam- panjakana sy tsy miankina ary tokantrano maro. An­koatra ireo fahasimbana voalaza, nanampy trotraka koa ny vesatry ny fanararaotana amin’ny filana andavanandro, ohatra, ny vidin’ny hazo sy fanitso, fantsika, solika, saran-dalan’ny posy sy bajaj. Eo koa ny fahasimban’ny lalana vokatry ny fianjeran’ireo hazo vaventy. Vokany, niray feo ny vahoaka fa resy i Toamasina. Ankilany, tsy azo atao mahakivy ny loza voajanahary fa raisina ho fanadiovana sy fanarenana. “Entina hanaovana fijery miabo hampiakatra ny hambom-po hampandrosoana ny tanàna sy ha­natsarana ny paikady vaovao hanavaozana ny endriky ny re­nivohitra ara-toekaren’i Mada­gasikara izany” hoy ny ben’ny Tanànan’i Toa­masina, Andriafa­nomezan­tsoa Alain.

Sajo

Partager sur: