FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ny any Sava ny Filoham-panjakana mivady, omaly. Nanolotra ordinatera miisa 100 sy « Connexion internet » maimaimpoana ho an’ireo mpianatry ny oniversite any Antalaha izy ireo. Eo koa ireo fiara be « Bus » miisa roa. « Miasa ireo minisitra ireo na inona na inona resahina any anaty tambajotran-tserasera », hoy ny Filoham-panjakana.

Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny 20 mey ho avy izao, ny fikaonandoha eny amin’ny fokon­tany. Tafiditra ao anatin’izany ny fikaonandoha momba ny fitantanana ny fifidianana sy ny fanovana eo amin’ ny lafiny Andrimpanjakana. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly, izany.

Anisan’ny voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ho ambasadaoro, i Paraina Auguste, ka hiasa any Etiopia sy ao amin’ny Vondrona afrikanina. Ambasadaoro ao Afrika Atsimo i Toavina Ralam­bo­mahay. Ho masoivoho any Soisa, Randriamian­drisoa Edelin, raha any Frantsa kosa, Rabemahefa Michel ary any Maraoka, Ratovondrahona Joahary.

Tsy maintsy hosamborina sy hotsaraina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirosoa. Fano­dinkodinam-bola sy fanamparam-pahefana maro no anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fikasana hanenjehana azy. « Arahana ny dingana rehetra ary enjehina amin’ny alalan’ny HCJ izy », hoy izy.

Partager sur: