Fikaonandoham-pirenena : Vonona hitarika ny FFKM

Ahoana ihany ny amin’ny fikaonandoham-pirenena? Mahabe resaka… Nanamafy ny FFKM fa vonona hitarika. Mialoha izany, hisy ny fihaonambe eto Antananarivo, amin’ny 18-21 mey ho avy izao.

“Manamafy ny FFKM fa efa hatrany am-piandohana izao hetsika hotanterahina izao no efa naneho fahavononana hi­ta­rika ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanomezam-pahefana nomen’ny Filo­han’ny Fanavaozana azy ireo, tamin’ny 10 novambra 2025, hanarenana indray ny firenena”. Io ny fanambaran’ny FFKM, novakin’ny filohany, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, tamin’ny mpanao ga­zety teny Ambohimanoro, afakomaly. Hanatanteraka fihaonambe eto Antananarivo àry ny FFKM, ny 18-21 mey ho avy izao. Handinihina ny fiainana anatiny sy ny fiainam-pirenena amin’ny maha mpaminany sy mpitily azy eo anivon’ny firenena izany. Hatao izany ho fiatrehana ireo fikaonandoha samihafa izay mbola hotanterahina eto Madagasi­kara ary hatrehin’ny Malagasy rehetra mba hametrahana fitoniana ny tontolon’ny fikaonandoham-pirenena. Mba hisian’ny fifampiresahana an-kitsim-po sy mampandroso ihany koa.
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao: “Aoka hatsahatra ny teny mandratra sy ny fihetsika mampisara-bazana”, hoy ny fanambarana. Tsy misy fanorenana maharitra eto raha tsy misy ny fandriampahalemana sy ny firaisankina. Koa miantso ny mpitondra sy ny olom-pirenena rehetra ny FFKM hitandro izany amin’ny fandavana ny fankahalana sy ny herisetra amin’ny teny ary ny fihantsiana rehetra. Manolo­ana ny fiparitahan’ireo vaovao tsy marina, ahitana fanakorontanana sy fampihantsiana ary fihenjanana ara-pifandraisana, ilaina ny miverina amin’ny fahamarinana. Satria ny fahamarinana irery ihany no ma­na­ndratra ny firenena. Miantso ny rehetra ny FFKM mba hiteny amim-pahendrena, tsy ha­na­paritaka lainga fa mba handala ny marina ary hanaja ny hasin’ny hafa amin’ny teny sy ny atao.

R. Nd.

Partager sur: