FANTINA sy FINTINA

Tsy nahalala mialoha ny momba ny fisamborana ny depiote, Raholdina Naivo, ny filoha lefitra fahafito ao amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nambarany fa efa niantso ny filohan’ity Andrimpanjakana ity momba izany trangan-javatra izany izy saingy mbola tsy nahazo valiny mazava.
Nilaza ho mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny minisitry ny Fitsarana momba ny fisamborana ny depiote Raholdina Naivo ny filohan’ny Antenimiera sy ny birao maharitra. « Mbola tsy azo esorina amin’io depiote io ny zo tsy azo enjehina na Immunité parlementaire ananany raha tsy mbola misy ny fanapahan-kevitry ny birao maharitra », hoy izy.
Nampahafantatra ilay Malagasy, i Joséphin Andriantafika, voafidy ho ben’ny Tanàna lefitra ao Choisy-le-Roi, Frantsa, fa efa mandeha amin’izao fotoana izao ny antso ho an’ireo liana amin’ny tetikasany. Anisan’izany ny fanamboarana sekoly ambaratonga voalohany eto Madagasikara. Iarahany miasa amin’ny « Fondation Act For Kids » ao Frantsa izany.
Mijoro any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ny fikambanana Fivoi-Fivoarana. Tanjona, araka ny nambaran’ny filohany, ny depiote Rajerison Antoine, ny hametrahana fototry ny fampivoarana miainga eny ifotony. « Anisan’izany ny fampiofanana sy fampianarana ary torolalana ho an’ny rehetra », hoy izy, tany an-toerana, ny herinandro teo.

Partager sur: