Efa nisy ny taratasy fangatahana fanesorana ny zo tsy azo anenjehana « Immunité parlementaire » ny depiote Raholdina Naivo, araka ny nambaran’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo. « Efa nalefa eny Tsimbazaza izany, mialoha ny nisamborana azy, saingy mety tsy voarain’ny filohan’ ny Antenimiera izany noho izy mbola tsy teto an-toerana », hoy izy.
Nandray ny asany, omaly, ireo depiote vaovao eo anivon’ny Antenimiera nisolo ireo lasa nisahana andraikitra hafa sy nesorina. Anisan’izany ny depiote Heriniaina Tia Solofomanga, Mahajanga I sy Ramananarivo Samoela Miharisoa, ho an’Antananarivo fahenina ary ny depiote vaovao, Ramboarivelo Jocelyn Willy, boriborintany fahatelo.
Nametra-pialana tsy ho mpandrindra ny Komity vonjimaika mitantana ny Holafitry ny mpanao gazety (CTOJM), Andry Raharison. Nohitsiny fa nivily lalana ny tanjona ary ampiasain’ny sasany hitadiavana tombontsoa manokana ny fitantanana. « Tsy azo ekena ny hanovana rafitra natao hiaro ny etika ho lasa fitaovana ara-tombontsoa », hoy izy.
Hentitra ny MFM nilaza fa ho an’ny fanjakana no itolomana ho an’ny demokrasia, hananana fahefana tsara fototra hampilamina ny firenena. « Antoka lehibe amin’izany ny fanavaozana ny fomba fandrombahana fahefana ka tsy io Ceni io mihitsy no tokony ho lohany amin’ny fanavaozana ny fifidianana, efa novetavetainy hatrizay », hoy izy ireo.




