Mediatiora : Miara-miasa hanamafisana ny demokrasia i Alemaina

Nihaona tamin’ny Mediatioran’ny Repoblika ny ambasadaoron’i Alemaina, omaly, teny Isoraka. Nivoitra, nandritra izany, ny fiaraha-miasa hanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara.

Fiaraha-miasa amin’ny fitondrana tsara tantana, fitandroana zon’olombelona, fampandrosoana maharitra… Ireo no fototry ny dinika nihaonan’ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’i Ale­maina eto Madagasikara, i Oliver Knoerich, tamin’ny Mpiahy an-drariny ny vahoaka na ny Me­diatioran’ny Repobli­ka, ny Pr Andrianaivotseheno Ravaka, teny Isoraka, omaly. Nampa­hafantarin’ny Media­tiora, tamin’ izany, ny andraikitry ny mpiahy an-drariny ny vahoaka, indrindra ny anjara toerany amin’ny fanamafisana ny fitondrana tsara tantana sy ny fiarovana ny zon’ny olom-pirenena ary ny fametrahana fanjakana tan-dalàna. Fanta­tra amin’ny fanohanana ny fampiroboroboana ny demokarsia sy ny fanajana ny zo fototra i Alemaina, heverina ho mpiara-miombon’antoka manana ny toerany amin’ny fanohanana ny vinan’ny Me­diatioran’ny Repoblika eto Madagasikara.
Voaresaka koa ny fanorenana fiaraha-miasa maharitra, mifanaraka amin’ireo laharam-pahamehana stratejika, taona 2026-2032. Eo ny fitsinjaram-pahefana ho fototry ny fampandrosoana amin’ny fampandraisana anjara ny va­hoaka ifotony. Vinan’ny Me­diatiora rahateo izay amin’ny fikendrena izay hanatsarana ny fahazoan’ny olom-pirenena miditra amin’ny tolotry ny fanjakana sy mampiroborobo ny fitantanana mivelatra. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Zava-dehibe ny fiantohana ny zon’ny tsirairay hiaina ao anatin’ny tontolo madio sy ma­haritra, indrindra manoloana ny fanamby ny amin’izany eto Madagasikara.
Na tsy nisy fifanarahana ofisialy aza, hita soritra ny endriky ny mety ho fivoaran’ny fiaraha-miasa. Liana amin’ny andraikitry ny Mpiahy an-drariny ny vahiny. Midika ho finiavana iombonana hanamafy ny rafitra demokratika sy hanohana ireo fanavaozana ataon’ny firenena izany?

R. Nd.

Partager sur: