“Ny tena zava-doza, izay tonga eo amin’ny fitondrana, misy ny fitiavan-tseza tafahoatra sy ny tsy fitsinjovana ny maro an’isa. Izay no tena olana. Manao izay mahatsaratsara ny fiainany sy ny fianakaviany izay tonga eo”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady filohan’ny antoko Fanarenana, Razafimahefa Herimanana, manoloana ny fizotran’ny toe-draharaham-pirenena hatramin’izay. Hafa ny taloha? Tamin’ny fotoan’andro, hafa ny toe-tsaina: tia karokaroka, mamokatra, mampianatra ankizy… Nefa amin’izao, lasa tsy zarizary ny fampianarana, ny fitsaboana, ny famokarana… Noho ny rafitra misy no antony.
“Tsy natao hitsikera ny zava-tsy nety teo aloha isika, fa tsy mety koa ny mitsikera fotsiny”, hoy izy. Tsy moramora ny mitondra firenena, indrindra ny fananana etika politika amin’izany. Tsy hoe rehefa eo amin’ny fitondrana dia hanenjika ny teo aloha; rehefa tonga koa ny manaraka dia toy izay. Izay ilay mifanenjika. Tsy fananana etika politika izany, fa sarotra ny mitondra firenena. Tokony hiezaka ny tsirairay tsy hanodinkodina ny volam-panjakana, hatao tsara ny fitantanana… Mba hoe latsa-paka eny amin’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Raha izay fotsiny no tanteraka, tonga eny ifotony ny fampandrosoana. Raha mbola ny fitiavan-tena sy ny risoriso ary ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena no atao, tsy ho tafavoaka ny firenena.
R. Nd.




