FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praimi­nisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, omaly, ny ambasadaoron’i Korea Atsimo, i Ji- Hyun Park. Nohamafisiny, tamin’izany, ny fahavononan’i Korea Atsimo hanohana ny fitondrana Fanavaozana amin’ny fanarenana an’i Madagasikara. Voaresaka koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ifandraisan’ny firenena roa tonta.

Misy antony fa tsy tongatonga hoazy ny fanendrena ambasadaoro any ivelany farany teo, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika sy mpamakafaka raharaham-pirenena, Retogniane Durlin. Mbola misalasala ny Vondrona afrikanina (UA) taorian’ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara. Handresy lahatra ny amin’izany, ohatra, no nanendrena ho ambasadaoro eo anivon’ny UA, atsy Addis-Abeba, an’i Paraina Auguste.

Natao teny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), 67 Ha, ny 27 hatramin’ny 30 avrily lasa teo, ny fanadinana am-bava ho an’ireo ho mpitsara eo anivon’izany fitsarana izany. Nitarika izany ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, niaraka tamin’ny komity fanaraha-mason’ny Pac, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny eo anivon’ny Pac, omaly.

Partager sur: