Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ireo ambasadaoro malagasy dimy vaovao voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 28 avrily lasa teo. Eo ny ambasadaoro isany Rabemahefa Michel hiasa ny Frantsa; Randriamiandrisoa Edelin Calixte, any Soisa, sady solontena maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana any Genève; i Paraina Auguste Richard, any Etopia sady solontena maharitra eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (UA); Ratovondrahona Johary any Maroc ary Ralambomahay Toavina, atsy Afrika Atsimo.
Ankoatra ny fiarahaban’ny lehiben’ny diplaomasia malagasy azy ireo sy ny fampahatsiahivana ny fitokisan’ny filohan’ny Fanavaozana amin’ ny andraikitra, nambarany ny maha solontena diplaomatika azy ireo amin’ny andraikitra nanendrena. Anisan’izany ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana amin’ireo firenena sy fikambanana mampiantrano. Toy izany koa ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara amin’ny toerana sy sehatra misy azy ireo. Tsy latsak’izany ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra ary ny fifantohana amin’ ny fiarovana ny teratany malagasy any ivelany.
Nanentana azy ireo koa ny minisitra hiara-kiasa akaiky amin’ ireo sampandraharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera. Hiarahan’ny fampiroboroboana ny fampahafantarana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Eo koa ny lafiny fampandrosoana.
R. Nd.




