Miompana amin’ny fanomezana malalaka ny vehivavy sy ny tanora hiditra anaty tontolo politika sy fampandrosoana ny firenena ny fanaovan-tsonia nandritra ny “Sommet Mahasaky Women and Youth”. Tafiditra ao anatin’izany ny demokrasia, ny fampandraisan’anjara ary ny fampivelarana ny tanora sy ny vehivavy.
Mitaky ny hametrahana mazava ny drafitra itondrana ny Fanavaozana ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant. Nambarany fa tsy fanavaozana fahatany no hatao eto amin’ny firenena ka hamelana malalaka ireo tsimatimanota ho tsy azo enjehina. «Amiko, tsy ampy ny fanamasahana ilay fanavaozana tiana hatao», hoy izy.
Fototry ny fampandrosoana ny fiverenana amin’ny rafitra fokonolona, araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Fiombonan’ny fokonolona mandray andraikitra (FFMA), Ramahatandrina Jean Renaud. «Samy tia tanindrazana ireo mpitondra nifandimby, saingy tsy afaka nitondra fanapahan-kevitra noho ny tsindrin’ireo namatsy vola», hoy izy.
Hanomboka tsy ho ela ny fikaonandoha eny ifotony. Hiara-kiasa amin’izany ny minisiteran’ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana, hampiantso fivoriana eny amin’ny fokontany sy ny minisitera misahana ny Fanavaozana, hisahana ny fikarakarana izany. Tsiahivina fa nisy fizarana traikefa sy fanofanana ireo mpanofana teny Ambohidratrimo, ny 6 mey teo.




