SYNAD: Olana ny tsy fampiharan-dalàna

“Tsy hoe ratsy ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Ra­ko­ton­dramanana Solofota­hina Lalaina, teny Anosy, omaly, momba ny fitsinjaram-pahefana mahabe resaka amin’izao. Tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert, Repoblika III, nisy ny lalàna 94-007 sy ny 94 -008. Misy ny lalàna, fa tsy nampiharina. Aoka tsy hohadinoina fa na ny firenena matanjaka toa an’i Frantsa aza, sahirana manao an’izany fitsinjaram-pahefana izany. Tsy vita ao anatin’ny iray volana na herintaona ny fitsinjaram-pahefana. Mila fotoana lava ny fanatanterahana azy. Nanom­boka tamin’ny taona 1993 i Madagasikara no nanao fitsinjaram-pahefana. 30 taona aty aoriana, tsy vita sy tsy tanteraka ary tsy mety ho feno. Inona no antony? Tsy nampiharina ny lalàna.
Tonga teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravaloma­nana, teo ny lalàna 2004-001 izay namoronana ny Faritra, fa tsy nofidina ny filohan’ny Faritra. Tsy mety ho feno hatrany ny fitsinjaram-pahefana. Tamin’ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina koa, teo ny 2024-018 izay lalàna fehizoro momba ny fitsinjaram-pahefana. Teo koa ny lalàna 2014-020, fa tsy notanterahina. Misy ny lalàna fa ny olana eto amin’ny tany sy ny fanjakana: tsy ampiharina ny lalàna. Izay no takina amin’ izao. Tsy ratsy ny fitsinjaram-pahefana fa tsy nampiharina.
Raha te hiditra marina amin’ny fanavaozana, andao tena hampiharina ny lalàna misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Hampidirina amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Ho hita eo ny tohiny… Izay tapaky ny vahoaka malagasy no hotanterahina.

R. Nd.

Partager sur: