Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hanohana ara-bola ny Sadc

Noraisin’ny minisitry ny Fanavaozana ny Repobika, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ireo iraky ny Sadc tarihin’i Joey Bimha teny Antaninarenina, ny zoma teo. Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo ny fikaonandoham-pirenena.

Nampahafantarin’ny mi­ni­sitra tamin’ireto iraky ny Sadc ireto ny tetibola ilain’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena. «Nangataka ny tetibola ilaintsika momba izany izy ireo. Tahaka izany koa ny eo amin’ ny hanohanan’izy ireo ny lafiny ara-teknika sy ny fampitaovana», hoy ny fampitam-baovaon’ny minisitera.
Na izany aza, nanambara ny minisitra fa hiezaka ny go­vernemanta hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny ara-bola ho amin’ny fampandehanana ny fikaonandoham-pirenena.
Notsiahiviny fa mizara roa ny iraky ny governemantan’ny Fanavaozana. « Eo ireo filana maika ho an’ny vahoaka, efa tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny fanavaozana. Eo koa anefa ny fikaonandoha », hoy izy. Nanteriny fa misokatra amin’ireo tohana sy fanampiana rehetra tahaka ny efa ataon’ny rafitry ny Firenena mi­kambana sy ny Pnud ny fitondram-panjakana, araka ny nambarany.

Fifampidinihana amin’ireo antoko politika
Manampy izany ireo fanoloran-tena efa nataon’ireo mpiara-miombon’antoka taorian’ny fivoriana niarahana tamin’izy ireo, tamin’ny 10 avrily lasa teo, tetsy Anosy.
Nambaran’ny minisitra tamin’ireo iraky ny Sadc koa fa voahaja tanteraka ny tetiandro nofaritan’ny minisitera tantaniny. Efa ao anatin’ny fanofanana ny mpampiofana sy ny fametrahana ny paikady enti-miatrika ny fikaonandoha izao izy ireo, amin’izao fotoana izao. « Anatin’ny fitoniana no hanatanterahana ny fikaonandoha ka hisy ny fifampidinihana manokana amin’ireo antoko politika mialoha ny hanatanterahana ny fikaonandoha momba ny fitantanana fifidianana », hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: