“Momba ny fihavaozana sy ny fanavaozana tian-katao, tsy ahitana drafitra politika mazava sy voafaritra tsara ny fitantanana ny fanavaozana ankoatra ny fe-potoam-pintantana roa taona sy ny hisian’ny fikaonandom-pirenena”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (CEM), afakomaly, taorian’ny fivoriambe ara-potoana, ny 8-12 mey lasa teo. Miaina ao anatin’ny fanantenana sy ny tebiteby ny vahoaka malagasy amin’izao kihon-dalana lalovana izao. Tsy azo odian-tsy hita koa ireo fomba fiasa teo aloha izay mbola mahazo vahana na mihamahery vaika, ka miteraka tebiteby ho an’ny vahoaka malagasy. Ohatra amin’izany ny vidim-piainana, ny fahasahiranan’ny tantsaha amin’ny famoaham-bokatra, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ny ady seza sy ny kiantranoantrano… Momba ny fikaondoham-pirenena miantoka ny fiombonana sy ny fanantenana ihany koa. Noho izany, fikaonandoha mazava mahomby no ilaina. Olona mahasolo tena ny maro sy mahalala ny tombontsoan’izy ireo no hantsoina. Ilaina ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana ao anatin’ny fifanajana ny rariny sy hitsiny, ny marina ary ny fitiavan-tanindrazana.
“Ho an’ny vahoaka malagasy: iankinan’ny fivoarana isika sy izay ataontsika isan’andro. Ho sahy mijoro ka tsy hampandefitra ny marina sy ny fihavanana”, hoy ny hafatra. Ho an’ny mpitondra: aoka tsy ho diso fanantenana aminareo ny vahoaka, fa miandrandra mpitondra manana toetra raiamandreny: tsy manavaka, tsy mametraka elanelana. Ho an’ny tanora: mila mitsinjo ny hoavy iombonana, satria ny tanora no fanantenana iankinan-javatra maro. Fadio ny fifampiandaniana ary ialao ny herisetra. Aoka ho tanora mpanorina fa tsy mpandrava, aoka tsy ho voarebireby sy voaviravira na voavidim-bola.
R. Nd.




