FANTINA sy FINTINA

Mihemotra amin’ny 3 jona izao ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ny alarobia teo. Nambarany ho anton’izany ny fandaminana. Eo koa ny fikaonandoha karakarain’ny FFKM, hanomboka mialoha io daty io. «Mitohy kosa ny fikaonandoha efa natao eny amin’ny sehatra samihafa», hoy izy.
Miantso ny hanaraha-maso ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny KMF/Cnoe. Nambaran’ izy ireo tetsy Antanimena, ny alarobia teo, fa tokony ho ny hevitra avy amin’ny olom-pirenena eny ifotony no andrasana amin’ny fikaonandoha. «Aza avily lalana ny hevitra amin’izany ary hampiharina. Amin’izany koa no hahafantarana ny daty rehetra», hoy izy ireo.
Niandrandrana fanovana hatrany ny Kianjan’ny 13 mey, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nijoro notohanan’ny vahoaka ireo tanora nanohitra ny tsy rariny. «Nanohy ny tolona ny Gen Z ho fiarovana ny zo fototra sy ny fahafahan’ny olom-pirenena… Adidy ny mihaino sy mamaly ny hetahetan’izy ireo», hoy izy.
Mitaky ny hamindrana ny fahefana amin’ny miaramila hafa ny fitoriana napetraky ny depiote Rajerison Antoine teny amin’ny HCC, ny 13 mey teo. Nambarany fa tohin’ny fanambarana nataon’ny eveka, nilaza ny tsy fahombiazan’ny fitondrana sy ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana izany fitoriana izany…

Partager sur: