Niakatra teny amin’ny fampanoavana, Anosy ny zoma teo ny raharaha fikasana hanakorontana sy fanonganam-panjakana. Voarohirohirohy amin’izany, Rakotoniaina Yves Maurice sy Rabary Paul.
Nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna voalohany, Ramanantsoa Nomenarinera Mihamintsoa fa naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjan’Antanimora, ny minisitra teo aloha sady mpitarika ny antoko ny fireneko, Rabary Paul raha eny Tsiafahy kosa, ny tompon’andraikitra iray teo aloha ao amin’ny minisiteran’ ny Fizahantany, Rakotoniaina Yves Maurice.
Voalaza fa anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fikasana hanakorontana ny filaminam-bahoaka, mba ahatongavana amin’ ny famonoana tomponandraikitra eto amin’ny firenena sy ny fifamonoan’ny samy malagasy. «Manampy izany ny fanaparitahana vaovao tsy marina entina hanakorontanana saim-bahoaka. Fidirana sy famoronana fikambanan’ny mpanao ratsy, hanatanterahana ireo hetsika ireo», hoy ny eo anivon’ny Tonia mpampanoa lalàna voalohany. Fantatra tamin’ny alalan’ny famotorana koa ny fifampiresahana amin’ny alalan’ny Whatsapp. Eo koa ny fanomanana ny hetsika fanakorontanana amin’ ny alalan’ny fanambarana samihafa. Ny fampiasana solon’anarana «Pseudo» hifaneraserana amin’ireo olona tsy eto an-toerana.
Nahitana vola malagasy sy vahiny
Eo koa ny fivoriana antsokosoko maromaro teto Antananarivo sy ny fanomanana tetika entina handrodanana ny rafi-panjakana. Etsy andaniny, sarona tao amin’ny biraon’ny voampanga ny koa vola malagasy sy vahiny, nokasaina ho zaraina ka nisy hita tanaty fiara ny sasany amin’izany. Teo koa ireo efa nozaraina araka ny hita tao anaty finday.
Tsiahivina fa mbola misy ireo hamoahana didy fampisamborana, manoloana ity raharaha ity.
Synèse R.




