Parlemanta rezionalin’ny tanora : Hitondra ny feon’ny tanora ho amin’ny hoavy mamiratra

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimi­eram­pirenena eny Tsimba­za­za, ny fivoriamben’ny Parle­man­ta rezionalin’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indi­ani­na na ny «Parlement ré­gional des jeunes de l’indianocéanie» (PRJIO). Nankatoavi­na, nandritra izany, ny tolo-pehin-kevitra roa izay novolavolain’
izy ireo mahakasika ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina, ny fitantanam-panjakana sy ny toekarena man­ga ary ny fanorenana hoavy ma­miratra ho an’ny tanora. No­tsin­drin’ny Sekretera jeneralin’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe In­dianina, Dr Norbert Ibrahim Richard, nandritra ity fotoana ity ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana vaovao marim-pototra ho an’ny tanora, ny fihainoana ny hetahetan’izy ireo sy ny soso-kevitra arosony. Nana­ma­rika kosa ny ma­soivohon’i Frantsa nisolo tena an’i La Réunion, miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guil­lois, fa natao hanamafisana ny fifandraisana sy hampifanakaiky kokoa ireo firenena mpikambana ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity Parlemanta rejionalin’ny tanora ity.
Nilaza ny mpitondra tenin’ireo tanora fa hitondra ny feon’ny tanora amin’ny ambaratongam-pahefana izy ireo mba hanohana azy ireo hananana hoavy mamiratra.
Marihina fa ivondronan’ireo firenena enina aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny Parlemanta rezionalin’ny ta­no­ra. Ny volana avrily 2025 no nananganana azy.

Andry F.

Partager sur: