Voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Rosia, Andriamanjato Ny Hasina, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ambasadaoro any Alemana Razafimbelo Alain Manajary ary masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), any New York, Rahajarizafy Lanto.
Tsy ho voavahan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny valo volana ny olana efa tao anatin’ny 16 taona, araka ny nambaran’ny lehibe’ny Faritra Analamanga, Raharinirina Clémence. Na izany aza, nanteriny fa efa misy ireo ezaka tsy maintsy natao hanamaivanana izany. « Efa nihena ho 30 minitra ny fahatapahan-jiro raha naharitra ora enina izany taloha », hoy izy.
Nahemotra amin’ny fotoana manaraka sy naverina eo anivon’ny asam-baomiera ireo volavolan-dalàna miisa efatra, tokony ho laniana sy ho dinihin’ireo depiote, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny momba ny fahafahan’ny daholobe misitraka sy mahazo vaovao, ny fanondranana olona antsokosoko ary ny fandikan-dalàna amin’ny fananan-tany.
Nijoro ny birao vaovao hitantana ny antoko MMM ao amin’ny distrikan’i Toamasina I. Voafidy hitarika izany rafitra vaovao izany i Tombo Gemma Valery Gaël. Hisahana ny fiandraiketana sy ny fitarihana ny tanora eo anivon’ity antoko ity, any an-toerana, kosa i Be Franck Eliot.




