Fikaondoham-pirenena : Hanangona sy handravona ny hevitra ny FFKM

Nofaranana tetsy Antanimena, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, ny fihaonambe notanterahin’ny FFKM, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ny handray andraikitra amin’izany ny fiangonana, araka ny nambaran’izy ireo.

Nanterin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, fa vo­nona hanatanteraka ny an­draikitra nankinina aminy amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Antony nanatanterahina izao fihaonambe, notontosaina te­ny amin’ny Fofikri Ilafy, nadritra ny telo andro. Anisan’ny niantefan’ny hafatra tamin’izany ireo tanora amin’izao fikaonandoham-pirenena izao. « Rai­so ny andraikitrareo fa efa mitarika anareo ny FFKM », hoy izy. Natsidiny, tamin’izany, fa anisan’ny an­draikitra horaisin’ny fiangonana amin’izao hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena izao ny hanangona ny hevitra sy handravona izany. Ha­nomboka eny amin’ny fokontany izany, mba hipaka eny ifotony ny fanavaozana, araka ny nambarany hatrany.
Nialoha izany, nampita ny hafatra pantekoty tahaka ny fanao mahazatra ny eo anivon’ny FFKM.

Fiainana ny 4F

Notsindriny fa tokony hanaiky hohavaozin’ny fanahy Masina ny rehetra, indrindra amin’ny asa sy andraikitra rehetra. Nentanin’ny filohan’ny FFKM koa ny rehetra hiaina ny « Fieken-keloka, fibebahana, fahamarinana ary fihavanana – 4F ». « Aoka hampiharina eo amin’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny firenena izany », hoy izy.
Anisan’ny niatrika izany fotoam-pivavahana izany ny minisitry ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra sy ireo mpanao politika ary ny manampahefana isan-tokony. Teo koa ireo solombavambahoaka sasany sy ireo lehi­ben’Andrimpanjakana sasany.
Tsiahivina fa any Ma­nakara indray ny komity foibe faha-48, manaraka, eo anivon’ny FFKM. Mbola tsy voafaritra kosa ny daty hanatanterahana izany.

Synèse R.

Partager sur: