FANTINA sy FINTINA

Tsy tafiditra ny birao ny sefo fokontany vaovao eny Avaratetezana Ambohimanarina. Efa nivoaka ny naoty nanendry azy saingy nanohitra izany ny fokonolona eny an-toerana. «Tsy mipetraka ao amin’ny fokontany ity olona notendrenan’ny lehiben’ny distrika ity», hoy ny mponina. Efa nahangona sonia amin’arivo izy ireo nanoherana izany.
Tsy tokony ho laniana fahatany amin’ny fihetsiketsehana ivelany ny volam-panjakana, araka ny nambaran’ny depioten’Ambilobe, Assimo Bruno. No­hitsiny koa fa tokony hahena ny isan’ny delegasionina manatanteraka fitsidiham-paritra ataon’ny minisitera tsirairay. «Ialana amin’ny fandaniam-bolam-panjakana mihoapampana izany», hoy izy.
Nataon’ny fitondram-panjakana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama ny alarobia 27 mey izao noho ny fankalazan’ny mpino silamo ny Aïd Al-Adha. Tsia­hivina fa efa ialohavan’ny alahady 24 mey, Pante­koty sy ny alatsinain’ny Pantekoty, ny 25 mey, izany. Andro iasana kosa anefa ny talata 26 mey.
Maka ny hevitry ny rehetra ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja, ho an’ny eto Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Tanjona amin’izany ny ho fa­natsarana sy ny fampanajana ny zo fototra maha olona. Anisan’ny hakana hevitra ny mpandraharaha ny fonja, ny havan’ny voafonja sy ireo migadra. Hoentina amin’ny fikaonandohan’ny fitsarana izany.

Partager sur: