Anisan’ireo niatrika ny fikaonandoha savaranonando nokarakarain’ny Ceni, teny Ivato, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nohitsiny fa tsy mbola hita taratra ny tena fanovana momba ny fikarakarana fifidianana.
«Ovana tanteraka ny rafitra mikarakara ny fifidianana raha tiantsika ny hananana fifidianana madio sy azo antoka ary mangarahara. Aza adinoina fa krizim-pifidianana hatrany no niseho teto ary niteraka olana sy tsy nampandroso antsika izany. Tsy resaka olona io fa rafitra mihitsy », hoy izy. Tokony hovaina aloha izany ny Ceni mialoha ny hanombohana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mitohy amin’ny fanovana ny lalàm-pifidianana izany avy eo mba hahamora ny asa rehetra. Tokony hojerena sy hadihadiana koa ny rindrambaiko « Logiciel » nampiasain’ny Ceni hatramin’izay.
Tsiahivina fa nihaona amin’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, tany Betsiboka Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nisy ny toromarika nomeny. «Tsy maintsy apetraka ny politikam-pampandrosoana maharitra mipaika eny ifotony mba hisitrahan’ny olom-pirenena ny harena ao aminy, hahafahan’ny faritra mahazaka tena», hoy izy. Notsiahiviny tamin’izany fa tany manan-karena ny faritra Betsiboka. Anisan’izany ny volamena. Mbola olom-bitsy anefa no mahazo tombony amin’izany, araka ny nambarany.
Hihainoana ny hetahetan’ny mponina
Niatrika ny fikaonandoham-paritry ny MMM tany Ambatosoa koa ny tenany. Notsindriny ny fahavononany hiaro ny fanapariaham-pahefana tena izy. « Mifototra amin’ny fahaleovantena eny ifotony sy ny fampanatonana marina ny fahefam-panjakana amin’ny olom-pirenena izany », hoy izy.
Nanteriny fa tanjon’izao fikaonandoham-paritra izao ny hihainoana ny hetahetan’ny mponina sy hamolavolana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-toerana.
«Tsy maintsy apetraka ho ivon’ny fanapahan-kevitra politika sy ny fampandrosoana ny vondrom-paritra raha tiana ny hisian’ny fanavaozana marina sy maharitra», hoy izy.
Synèse R.




