Ceni : Raikitra ny dinika handrafetana lalàm-pifidianana vaovao

Manomboka any amin’ny fandrafetana lisitry ny mpifidy hatrany amin’ny famoahana valim-pifidianana ofisialy. Izay no ifantohan’ny dinika sy fifanakalozan-kevitra karakarain’ny Ceni amin’ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ny CCI, Ivato, nanomboka omaly ary maharitra hateloana. “Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka no amoahan’ny tsirairay avy izay olana sedrainy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakoto­narivo Thierry, taorian’ny fa­nombohana ofisialy. Hanoma­nana ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny FFKM ny dinika. Eo koa ny fahitany izay tokony harenina amin’izay olana izay. Miisa 11 ny lohahevitra amin’ny dinika sy fifanakalozan-kevitra. Eo ny mom­ba ny firotsahan-kofidina, ny fampielezan-kevitra, ny fikirakirana valim-pifidianana, ny fifanolanana momba ny fifidianana… Mandray anjara amin’ ny dinika, ohatra, ny solontenan’ny rafi-pitsarana momba ny fifidianana.
Tsy vitan’ny famoahana olana ny dinika fa eo koa ireo soso-kevitra sy vahaolana heverin’ny sehatra tsirairay avy ho fanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Avoaka amin’ny dinika avokoa ireo olana sy sosokevitra ary ny zava-misy marina nosedraina nandritra ny fifidianana rehetra teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny fifidianana mbola minisiteran’ny Atita­ny sy ny fifidianana notantanin’ny Ceni efatra nifandimby. Izay hevitra rehetra mivoaka amin’ny dinika, na olana na soso-kevitra na vahaolana: horaketina ao anatina antontan-kevitra iray ary hampahafantarina ny vahoaka malagasy sy ny FFKM hitantana ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanazavany ihany. Haroso ho an’ny fitondram-panjakana amin’ny fandrafetana lalàna mifehy ny fifidianana izany.

R. Nd.

Partager sur: