Filoha, Kly Randrianirina Michaël : « Hatreo amin’ny fifidianana ny iraka ataonay »

Nitondra fanazavana ny fito volana nitantanany ny firenena ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Novaliany tamin’izany ireo fanontanian’ny mpanao gazety momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

Nofaritany tamin’izany ny iraka tanterahany ka anisan’izany ny famaliana ny hetahetam-bahoaka anaty fohy ezaka sy lavitra ezaka. Eo koa ny fitarihana ny fikaonandoha hametrahana ny rafitra tian’ny vahoaka ary koa ny fitantanana ny fifidianana. « Ireo no asan’ny fiadidiana ny Fanavaozana. Mia­ramila omena iraka ny tena ka mifantoka amin’izany. Hiton­dra ny firenena hatreo amin’ny fifidianana, ho eken’ny rehetra », hoy izy. Nialoha izany, anisan’ny zava-dehibe ho an’ny fitantanany ny fanavaozana ny toe-tsaina. Anisan’ iza­ny ny kolikoly. Ny fiovan-drafitra kosa, nambarany fa amin’ny alalan’ny fikaonandoha izany ka hametrahana ny fanavaozana. « Miezaka izahay manavao sy miala amin’ny teo aloha. Mamaha olana sy mamaly hetaheta ary ny fitakiana tamin’ny tolona », hoy ihany izy.
Nanome antoka ny filoham-panjakana fa tsy anisan’ny ao anatin’ny fanomanana ny fikaonandoha ny tenany ka tsy manana hevitra manokana tsy maintsy tanterahana. « Anjaran’ny primatiora sy ny FFKM ny fanomanana ary ny hevitry ny vahoaka no hivoaka ao », hoy izy.

Tsy valifaty politika

Niaiky kosa ny filoha fa misy lesoka ny seraseran’ny fitondrana ka tsy tafita ireo asa atao. Nohitsiny anefa fa tsy hihemotra amin’ireo fanaratsiana ny tenany. Nam­panantena ny filoha fa betsaka ny ho fiovana ao anatin’ny roa taona.
Nitondrany fanazavana ny momba fanagadrana ka nilazany fa misy dosie avokoa ireny. Tsy valifaty politika, araka ny nambarany.
Eo amin’ny lafiny sosialy, notanisainy fa efa miezaka mamaha ny olana ny fitondrana ka nahitana fiovana ny jiro sy ny rano. Efa miditra an-tsehatra koa ny manampahaizana Rosianina momba ny « Raharaha Ambohimalaza ». Misy ireo tetikasa tsy afaka hiandry ka nifanarahana amin’ireo firenena samihafa, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa notron’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo mpanao politika sasany izao tafa izao.

Synèse R.

Partager sur: