Sambany amin’ny tanànan’Antananarivo no nisy PDS tsy manana mpanara-maso, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina teo aloha, Ravololomanana Lalatiana. « Ao anatin’ny tsy ara-dalana isika izao. Maromaro ireo PDS nandalo teo fa hafa ny amin’izao fotoana izao », hoy izy. Tsiahivina fa rava sy niongana koa ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo.
Niantso fiombonana sy firaisankina ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Elisa tamin’ny fankalazana ny fetin’ny reny. “Mampita fahalalana, fahendrena ary fahaiza-miaina amin’ny taranaka isika”, hoy izy. Niantso ny reny rehetra andeha hampiseho fiombonana sy firaisankina hanabe ireo zanaka hahatonga azy ireo ho olombanona ny tenany.
Dingana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fianianan’ny mpitsara, Tombohavana Fabien tao Genève ny 28 mey. Anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny Firenena Mikambana amin’ny fiarovana ny zon’ireo mpiasa mifindra monina sy ny fianakaviana (CMW) ny tenany, manomboka izao.
12 taona ny 29 mey teo ny antoko HVM. Navoitran’ny pejin’izy ireo fa manana finiavana hanompo an’i Madagasikara ny antoko. Niaraka tamin’ny vahoaka ary nitondra ny anjara biriky ho an’ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanambarana. « Mbola mijoro eto ary mbola hijoro hatrany ho an’ny fitiavan-tanindrazana », hoy ny HVM.




