“Efa nilaza ny FFKM fa hanatanteraka amim-pahamarinana ny fikaonandoham-pirenena. Koa tokony havela malalaka hanao izay fomba hanatanterahiny azy ary havela malalaka handray anjara ny rehetra”. Io no nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly. Izay tapaky ny besinimaro amin’izany fikaonandoham-pirenena izany no hanapahan-kevitra hitondrana ny tena fanavaozana marina eto amin’ny firenena. Tsy tokony ho izay metimety amin’ny mpitondra amin’izao no hovoizina sy hotanterahina. Tokony havela ny FFKM hitarika an-kalalahana ny fikaonandoham-pirenena, tsy misy fanilihana na iza na iza fa afa-mandray anjara amin’izany avokoa.
Raha tsy ny rehetra no mandray anjara feno amin’ny fikaonandoham-pirenena, fanapahan-kevitra handeha ila no hisy. Tokony havela malalaka koa ny FFKM efa nomena ny fahefana hitarika izany. “Tsy tokony halokalofan’ny tomponandraikitra ao anatin’ny Fanavaozana, ka tsy hisy ny fifampiresahana manokana”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe olona fito no hanomboka ny fikaonandoham-pirenena rahampitso: ny filohan’ny Fanavaozana, ny Praiminisitra, ny minisitra misahana ny Fanavaozana ary ireo filoham-piangonana efatra. Tokony hatao mangarahara ny fifampiresahana ho fantatry ny besinimaro. Amin’izay, tsy misy mihafihafy hoe misy tsindry avy amin’ny fitondrana mijoro amin’izao ny fomba fanatanterahana sy fanapahan-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tsy misy mahazo tombony amin’ny valifaty politika. Fampihavanana no tokony hatao, hovoizina amin’ny fikaonandoham-pirenena.
R. Nd.




