Niantso ireo mpikaroka eo anivon’ny Akademia ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, hanampy ny minisitera sy ny Andrimpanjakana hanisy dikan-teny malagasy amin’ireo taratasy eny anivon’ny sampandraharaha sy biraom-panjakana. Nivoitra izany tamin’ny fanokafana ny Iray volan’ny teny malagasy, teny Tsimbazaza, omaly.
Hisy fivoriana voafetra hatao anio ho fanombohan’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ho an’ny Fanavaozana. Hotanterahina etsy amin’ny Havoria Anosy izany ary hanomboka amin’ny 02 tolakandro. Tsiahivina fa natokana ho an’ireo tanora eto Antananarivo Renivohitra ihany izany fikaonandoha izany.
Mbola tsy laharam-pahamehana ny tetikasa « Téléphérique », araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël tamin’ny tafa niarahany tamin’ny mpanao gazety, ny alahady teo. Nambarany fa mbola maro ireo fanamby ara-teknika sy ara-bola tokony hovahana, indrindra ny resaka famatsiana herinaratra hampandeha azy.




