Johasy Eléonore: “Mila alamina ny fikaonandoham-pirenena”

Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka anio, eny amin’ny CCI, Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nefa mahabe resaka ny amin’ny hoe olona fito aloha no hivory: ny filohan’ny fiangonana efatra mirahalahy, ny filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra ary ny minisitra misahana ny Fanavao­zana. Naneho ny heviny ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Tsara tahafina, Raha­risoa Eléonore Johasy: “Laha­ram-pahamehana ny fandaminana sy fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena tena izy sy hatrany ifotony”. Ilaina mazavazava kokoa ny manodidina ny fikaonandoham-pirenena. Izay no andrandrain’ny maro, ary izay no heveriny hoe tena tokony hiompanan’ny ezaka rehetra amin’izao fotoana izao. Tena tokony ho laharam-pahamehana ny fikaonandoham-pirenena tena izy sy iraisan’ny Malagasy rehetra ary hakana ny hevitra hatrany ifotony. Mba hahazoana mamongotra izay nampitondra faisana teto amin’ny firenena izany.
Araka ny fampanantenan’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, napetrany mazava amin’ny tetiandro nampahafantarina ireo mpiara-miombon’antoka ny zotra mankany amin’ny fifidianana handaminana indray ny raharaham-pirenena. Izay no andrandrain’ny antoko sy ivononany. Efa niomana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny antoko, efa manana fehin-kevitra haroso sy hotohanana amin’izany. Tokony hazava izay atao. “Manantena isika fa ny fikaonandoham-pirenena no hahazoana mitondra fanovana marim-pototra sy lalim-paka ho an’ny firenena malagasy. Mba tsy hisy intsony ny tranga mitarika fahasahiranana lalina ho an’ny toekarena sy ny fiainan’ny vahoaka malagasy”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: