Hatao ihany saingy mbola misy fandaminana ny fikaonandoham-pirenena. Nivory maika, omaly, ny tomponandraikitra voakasik’izany: ny Fiadidiana ny Repoblika, ny FFKM ary ny minisitera mpiahy.
Hatramin’ny fotoana farany, tsy raikitra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny rehetra teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, araka ny tetiandro naroson’ny fitondram-panjakana hatramin’izay, indrindra ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fanavaozana. Tsy nisy fanazavana. Ny hany mba nahazoana sombin-dresaka ny amin’ny tsy hanombohan’izany ho an’ny besinimaro dia ny fandaharana manokana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tao amin’ny hainoamanjerim-panjakana, ny alin’ny 31 mey lasa teo. Olona fito aloha no hanomboka izany. Anisan’izay mivory manokana izay ireo filoham-piangonana efatra mirahalahay eo anivon’ny FFKM, miaraka amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary ny minisitra misahana ny Fanavaozana. Raha ny vaovao omaly maraina, eny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra izy ireo no hivory.
Nisy izay fivoriana teny Ambohitsorohitra izay, omaly tolakandro. Nikaton-trano. Tonga nanatrika izany ny filohan’ny FFKM am-perinasa, ny filohan’ny EEM, ny Mgr Ranarivelo Samole Jaona sy ireo filoham-piangonana mirahalahy: ny filohan’ny Ekar, ny filohan’ny FJKM. Tsy teny an-toerana kosa ny filohan’ny FLM. Tonga koa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika notronin’ireo mpanolotsaina avo efatra mirahalahy sy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ary ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Misy inona? Na izay olana… Efa andro vitsivitsy taloha no nisy fampiakaram-peo tetsy sy teroa fa tsy ampy na tsy misy ny fanazavana ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Ho tonga hatraiza? Mila fanazavana sy fangaraharana… Sao izay natao hifandaminana indray no hampiteraka korontana, sanatria? Andrasana ny tohin’ny raharaha, ho hita eo…
R. Nd.




